Lettre pour le salut = Taratasy ho amin’ny famonjena



À propos de DIEU et de la nécessité de croire en JÉSUS

=

Momba an’ANDRIAMANITRA sy ny ilàna mino an’i JESOA

Ny fiadanana katsahin’ny olona tsirairay dia mifamatotra ifotony amin’izay fijerintsika ny Baiboly, miaraka amin’izao fanontaniana lehibe indrindra izao : « TENIN’ANDRIAMANITRA ve ny Baiboly, amiko ? »

Ho voavaha tokoa mantsy ny olana rehetra, ho anao, raha toa ianao manana ny finoan’ny ankizy kely miteny tsotra hoe : « Inoako Andriamanitra », izany hoe izay rehetra lazainy, sy hoe : « Mino an’Andriamanitra aho », izany hoe mino fa misy Izy.

Noho izany, ny tsara hiaingana dia ny fotokevitra hoe Andriamanitra dia miteny amin’ny olona amin’ny alalan’i Kristy Zanany sy amin’ny alalan’ny Teniny. Tsy afaka mandainga na mamitaka antsika Andriamanitra, koa dia azontsika atao ny mino am-pahatoniana ny fanambaràna ataon’Izy tenany, momba io Jesoa Zanany io. Ary izao no fanambaràna ataon’Andriamanitra momba an’i Jesoa Zanany : « Ao amin’ny Zanany ny fiainana mandrakizay : izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana, izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. » Azonao hamarinina ao amin’ny Baiboly io fanambaràna io (ao amin’ny Testamenta Vaovao), ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona, toko faha-5, andininy faha-11 sy 12. Nanoratra ho an’ny rehetra io apostoly Jaona io, mba hahafantarantsika, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, fa manana fiainana mandrakizay isika.

Tiako koa ny manampy ny fanambaràna ao amin’ny Romana 10. 9-10 hoe : « Raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana, hahazoana fahamarinana ; ary amin’ny vava no anekena, hahazoana famonjena. »

Izao no fanirianay ny amin’ny famonjena ny fanahinao, dia ny hametrahanao ny fitokisanao amin’izay ambaran’ny Baiboly irery ihany, momba izany. Ho azon’ny ahiahy sy ny savorovoro ianao raha manangana zavatra hafa ankoatra ny Baiboly.

Zava-mamy sy mitondra fiadanana tokoa ho an’ny fanahy ny fananana toky sy fahazoana antoka, eto an-tany, hoe voavonjy ! Rehefa apetrakao eo ampelatanan’i Kristy maty ho anao ny hoavy mandrakizain’ny fanahinao, dia manan-jara amin’ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana ianao, ary mbola manan-kery mandraka ankehitriny io rany io hamafa tanteraka ny fahotanao tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Fadio indrindra ny miteny eo anoloan’Andriamanitra hoe tsy nanota ianao na dia indray mandeha aza, fa fanaovana Azy ho mpandainga izany, satria hoy Izy tenany ao amin’ny Teniny, hoe : « Samy efa nanota izy [ny olona] rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra » (Romana 3. 23). Fa ekeo tsotra fotsiny fa na iza na iza mino an’i Kristy dia « hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany [...] noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa, Izay nasehon’Andriamanitra [...] ho fanavotana » (na : fanatitra fampiononam-pahatezerana, mamafa ny fahotantsika tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny finoana ny asan’ny rany).

Mba te hino aho hoe hibaboka ianao, amin’ireto andro ireto, eo anatrehan’ny tavan’Andriamanitra, Izay tia anao sy miantso anao hanatona Azy. Ho kanto aoka izany ny hoe mamaly mazava ny antsom-pitiavany ianao, resy lahatra hoe « tsy ho menatra izay rehetra mino Azy [Jesoa] » (Romana 10. 11).

Bibliothèque Chrétienne [Tranomboky Kristiana] Madagasikara

Ny foibem-pitantanana.